Entrée | 1 Teo amin' ny valsa |
Mots élémentaires | 2 teo, 3 amy, 4 valsa |
Partie du discours | 5 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 6 Littérature: poèmes |
Auteur |
7 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
8 Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho 9 Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao 10 Ary azoko natao ny nioty anao an-taho 11 Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao. 12 Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao 13 Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia 14 Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao 15 Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria, 16 Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko 17 Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko 18 Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria. 19 Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao 20 Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao 21 Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |